Agrad-15 taona an-tsehatra : Hatomboka amin’ny fitetezana an’i Eoropa

Hankalaza ny faha-15 taona niakarany an-tsehatra, amin’ny taona 2027, ny mpanakanto Agrad, izay mpiangaly ny gadona Rap. Hiavaka ny fankalazana satria any ivelany no hanombohana izany. Hitety an’i Eoropa ny tarika, manomboka ny volana janoary 2027, araka ny fandaharam-potoany. Any Allemagne no hisantarana izany, ny 30 janoary 2027. Hitohy any Lyon ny fampisehoana, ny 5 febroary ary any Paris, ny 6 febroary. Hanome fahafaham-po ny any Toulouse i Agrad aorin’izay, ny 13 febroary ary ny Mont­pellier kosa, ny 21 febroary 2027. Ny Bazz Concept no mikarakara ny fampisehoana mitety an’i Eoropa ataon’i Agrad ho fankalazana ny faha-15 taona niakarany an-tsehatra. Tsiahivina fa anisan’ny nifaninana tamin’ilay “Africa Golden Hip Hop Awards” ity Malagasy mpanakanto ity. Ny 17 novambra lasa teo ny farany tamin’ny fifidianana ary ny sabotsy 21 novambra no nanolorana ny amboara, isan-tsokajy, tany Etazonia. Laharana faharoa i Agrad tao amin’ny sokajy nisy azy, dia ny mpanao rap afrikanina mendrika aty Atsimo Atsinanana Afrika. Ilay Zam­bianina mpanakanto, i Chef 187, no laharana voalohany ary ilay teratany Afrikanina Atsimo, i Nasty C kosa no laharana fahatelo, taorian’i Agrad.

Mi.Raz

Partager sur: