Notanterahina omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny fanolorana ny paikady entina mandrindra sy mitantana ny fifindra-monina aty amin’ny tanàn-dehibe. Atoa Roger Charles Evina, lehiben’ny delegasion’ny OIM, namita iraka teto Madagasikara no nanolotra izany an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Mitondra tombontsoa ho an’ny tompon’andraikitra sy ny tanàna manontolo ny paik’ady. Anisan’izany ny fahafantaran’ny mpiandraikitra ny tanàna ny zava-misy iainan’ny mpifindra monina sy ny tanàna manodidina ny renivohitra. Manampy azy ireo hisafidy ny paikady entina mandrindra ny fifindra-monina ihany koa izany paikady izany.
Maro ny vahaolana naroso ao anatin’ny paikady. Araky ny fanadihadiana natao, noho ny fivangongoan’ny fianarana, tsena, hopitaly lehibe, eto Antananarivo no mahatonga ny fifamezivezen’ny olona betsaka eto. Tsy maharaka izany ny foto-drafitrasa misy eto an-drenivohitra, hoy ny ben’ny Tanana. Nanentana ny rehetra hiara-hisalahy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny fampiharana ity ny solontenan’ny OIM.
Haharitra 3 taona ny fanatanterahina izao paikady izao. Mitentina 4 500 000 Dolara amerikanina ny vola ilaina amin’ny fanatanterahina izany.
Lin (Mpianatra asa)