Andron’ny vehivavy: niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro filaminana

Nangata-pitahiana sy niara-nivavaka ireo vadin’ny mpitandro ny filaminana, omaly. Nohamafisin’izy ireo nandritra izany ny tokony hanabeazana ny ankizivavy malagasy. Mba ho antoky ny fampandrosoana lovain-jafy.

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Chapelle Mi­litaire Ampahibe ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana. Mba ahatsiarovana sy angataham-pitahiana ho an’ny vehivavy sy ny fire­nena. Nanatrika izany ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy sy ireo va­din’ny mpitandro filaminana. Nanokafana ny fankalazana ny andron’ny vehivavy eto amin’ny Nosy ihany koa. Nitondrana ny lohahevitra hoe: “fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”.

Fanabeazana matotra ho an’ny ankizivavy

Irariana ny hisitrahan’ny ankizivavy malagasy rehetra ny fanabeazana matotra eto amin’ny Nosy. Vonona ny hanampy ireo ankizivavy mba hanana fizakan-tena ny va­din’ny mpitandro ny filaminana. Mba ho antoky ny fampandrosoana lovain-jafy eto amin’ny firenena.
“Ny fanabeazana no fototry ny fahalalana, tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny vadin’ny minisitry ny Fia­rovam-pirenena, Rakotoari­jaona Lydia. Voakasik’izany, ny fanabeazana ny saina sy ny vatana ary ny fanahy. “Ma­nefy vehivavy ho tomponandraikitra sy feno fahendrena raha miara-mientana ny firenena sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina”, hoy hatrany izy. Nohamafisiny fa tomombana ny fampandrosoana ny firenena raha toa ka milamina sy mirindra ny ao an-tokantrano. Nanentana ny vehivavy rehetra izy mba hanabe ny ankizivavy. Satria andrin’ny fampandrosoana ny firenena malagasy ny fanaovana izany.
Ankoatra izay, nanafatra ireo vadin’ny mpitandro filaminana ihany koa izy mba hitandro ny firaisankina hatrany satria antoka iray lehibe manampy ny vady hanatanteraka ny adidy aman’andraikitra sahaniny izany.
Niainga tamin’ny tenin’ny soratra masina: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao, tongava aminao araka izay irinao” ny fampianarana nandritra ny torinteny. Nitarika ny fo­toam-pivavahana ny pasitera Ra­kotozafy Michael, pasitera Tombotsosa Gervais, mompera Rakotoarisoa Soloniaina Ernest ary mompera Raza­finirina Jean Lionel.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: