Efa mipetrapetraka avokoa. Hotanterahina ny faran’ ny volana marsa izao ny fihaonambe eo anivon’ny faritany FFKM, hatao eto Antananarivo. Hitohy amin’ ny fidinana ifotony ho fakan-kevitra izany avy eo ny volana mey ary hofaranana amin’ny fihaonambem-pirenena. Nambaran’ny tonian’ny FFKM ny Rev. Ranaivoarivelo Tahiana, omaly, tetsy Ampandrana, fa miankina amin’izao fihaonana dingana voalohany izao ny hamaritana ny hiantsoana ny mpisehatra politika na tsia. Nanteriny fa hivelatra amin’ny sehatra marolafy ny fihaonana. Anisan’izany ny fijerena ny firaisam-pinoana sy ny fiombonana ary ny fiainana anatin’ny FFKM. “Tsy misakana ny handinihana ny lafiny sosialy sy ny politika anefa izany. Handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana rahateo ny Andrimaso FFKM ka hotafiditra amin’ny dinika avokoa izany”, hoy izy. Miankina amin’ireo tohan-kevitra rehetra amin’izany ny hiantsoana ny mpisehatra politika.
Hampiharina ny fehinkevitra hivoaka
Na izany aza, hampiharina eto amin’ny firenena ny fehinkevitra tapaka ary hatolotra ny mpitondra koa, araka ny nambarany. Mba hiantraika eny ifotony ny fampihaonana hataon’ny FFKM. Miaina anivon’ny firenena ny fiangonana ary zanany avokoa ny rehetra ka tokony hampiharina izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa nisokatra, omaly, ny fidiran’ny sekoly ambony ho an’ny eokiminisma. Toeram-pikarohana momba ny fampiraisana ny finoana, eto amintsika.
Synèse R.