Fotoana nahafahan’ny andriambavilanitra naneho ny heriny sy ny fahavononany amin’ny fandraisana an-tanana ny fiainany sy ny fampandrosoana ny diabe, omaly. Analiny ireo tonga nitanjozotra tamim-pahavitrihana naneho firaisankina.
Nomarihina tamin’ny diabe notarihin’ny vadin’ny filoham-pirenena ny fankalazana ny andron’ ny vehivavy, omaly. Niainga tetsy amin’ny Gymnase Ankorondrano nihazo ny kianjan’Alarobia izany. Nanotrona ny vadin’ny filoha tamin’izany ireo vehivavy minisitra mpikambana ao anatin’ ny governemanta
Fanehoana firaisankina sy fiaraha-mientan’ny vehivavy no tanjona. Eo koa ny fijoroana sy fahavitrihana fa vonona sy sahy hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana izy ireo. Analiny ireo vehivavy nanotrona ny diabe. Nahitana ny solontenan’ireo minisitera sy fikambanana maro samihafa.
Nandray anjara feno ihany koa ireo avy any amin’ny faritra izay nanampy isa ny teto Antananarivo. Nitohy tamin’ ny fanatanjahantena, zumba, ny hetsika teny amin’ny kianjan’Alarobia.
Nanazava ny talen’ny Fampivoarana ny vehivavy sy ny miralenta ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, i Havanirina Jolcette Emilienne fa hotanterahina anio ao amin’ny kianja Barea Mahamasina ny ivon’ny fankalazana nasionalin’ny andron’ny vehivavy. Efa maherin’ny 80.000 ireo vehivavy anaty fikambanana tonga nisoratra anarana fa ho avy hanotrona izany.
Nilamina ny fandraisana ireo andriambavilanitra avy any amin’ny faritra izay mitoby etsy amin’ny trano fandraisam-bahiny 67ha sy etsy Ampefiloha.
Voizina mandritra ny hetsika rehetra ny fanentanana amin’ny fampandraisana andraikitra ny vehivavy. Hampandraisana anjara feno ity farany amin’ny fampandrosoana ny tenany, ny ankohonany, ny fiarahamonina ary ny firenena manontolo. Ho sahy mijoro hanohitra ny herisetra sy ny tsy rariny ary hiady hatrany amin’ny fampiharana ny zon’ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra.
Tatiana A