Fampiatoana ny filohan’ny Repoblika : tsy fahefan’ny HCC na ny HCDDED fa an’ny HCJ

“Mihoatra amin’ny anjara asany sy fahefany ny HCDDED. Tsy azy ny manao an’izany, na mandeha any amin’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) aza izy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Raza­na­mahasoa Christine, teny Tsimbazaza, afakomaly, momba ny fangatahan’ny depiote 23 ta­min’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fan­jakana tan-dalàna (HCDDED) ny hampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany ka nandefasana izany tany amin’ ny HCC.
Tsy any amin’ny HCC no tokony handefasana an’izany, fa any amin’ny Fitsarana avo (HCJ). Ny HCJ no miteny ny amin’izany, araka ny fanazavany. Tsy fahefan’ny HCC ny milaza ny fampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany, fa fahefan’ny HCJ. Tsy ho tonga amin’izay kendreny ny fangatahan’ny HCDDED.
Malagasy ny filohan’ny Repoblika

Tsy ny And. 42 ihany no tokony hambara fa jerena koa ny And. 45 amin’ny lalàna mi­fehy ny fizakana zom-pirenena, araka ny nambarany ny amin’ ny fanalana sy ny tsy fahazoan’ ny filohan’ny Repo­blika hi­rotsa-kofidina intsony noho ny fizakana zom-pirenena roa. Milaza io andinin-dalàna io fa miainga amin’ny fangatahan’ izay mizaka azy ny fahaverezan’ny zom-pirenena ary ma­hazo ny fankatoavan’ny go­vernemanta malagasy amin’ ny alalan’ny didim-panjakana. Nodisoiny avy hatrany izay hoe fanalana sy fanakanana ny filohan’ny Repoblika ho tsy mahazo mirotsa-kofidina izay. Malagasy izy ary Mala­gasy ray, Malagasy reny.

Tsy mbola misy fitsipaham-pitokisana izao

“Hisy fitsipaham-pitokisana ny governemanta ve amin’ny fivoriana ara-potoan’ny Ante­nimierampirenena ho avy eo? Tsy tompon’ny rahampitso isika”, hoy izy. Nefa tsy misy mieritreritra izany fitsipaham-pitokisana izany aloha amin’ izao. Miankina amin’ny fahaiza-mifandray amin’ireo so­lombavambahoaka koa izay. “Afa-miteny aho izao fa tsy ao anatin’ny lahadinika amin’ny fivoriana ny fitsipaham-pitokisana”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: