Fitantanana sy andraikitra: manentana ny tanora hanana faharetana i Ndremitsara Tarzan

Iza izy ? Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan. 42 taona ary manan-janaka telo mianadahy. Anisan’ny sakafo tiany ny ganagana. Fialambo­liny ny mozika miaraka amin’ ny gadona mafana “Tropical” sy ny salegy. Tia baolina kitra sy “Box Française”.
Anisan’ny nanamarika ny fiainany ka nahafaly azy ny nahatafidirany ho mpiasa ao amin’ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny antontanisa (Instat), ny taona 2008. Nanamarika azy koa ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny zon’ny mpiasa sy ny hetsika fitakiana sendikaly.
Mazava ny toromarika sy ny lesona ampitainy amin’ireo tanora, manoloana ny lalana nodiaviny. “Tsy voatery mivaly eo no ho eo ny ezaka atao fa mioty vokatra hatrany any aoriana rehefa hoentina amin’ ny fi­noana sy fitiavana izany. Mila manana faharetana”, hoy izy.

Anjara biriky ho an’ny fampandrosoana
Anisan’ny fikambanana nidirany ny Fimmar. Filo­han’ny vovonana Ifi, boriborintany III koa ny tenany ary efa delegen’izany fari-piadidiana izany. Antony naharesy lahatra azy tamin’izany ny itondrana anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana ny sosialy sy ny toekarena. Eo koa ny fampifandraisana ny traikefa politika.

Ankoatra izany, efa tale lefitra teo anivon’ny Instat ary izao vao notendrena ho tale jeneraly izao ny tenany.
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kosa, efa solontenan’ny eo anivon’ny Sadc tamin’ny ONG Pan Africaine momba ny fanadihadiana ny mponina. “Ingenieur statisticien” tany Dakar ary “Démo­graphe” nivoaka tany Came­roun. Mbola manohy “Docto­rat en économie”, amin’izao fotoana izao.

Manatsara ny fandraisana fanapahan-kevitra…

Nambarany fa manatsara ny fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny politika fampandrosoana ny Instat. “Ahafahana mandrefy ny toerana misy antsika momba ny vina fampandrosoana ny toekarena”, hoy izy. Na izany aza, mbola olana ho azy ny karaman’ny mpiasa nefa tsy maintsy atrehina.
Manantena ny tenany fa mba ho maro ny isan’ny “Droit privé” ho voaray mpiasam-panjakana afaka dimy taona any. Tokony hisy mpiasa miisa 20 mahery isan-taona mba voaray mpiasam-panjakana, araka ny nambarany. “Mba hampihena ny vesatry ny Instat amin’ny fandoa­vana karama izany”, hoy izy. He­tahetany mba hiara-han­droso amin’i Madagasikara iray manontolo ny Instat. Afaka mitondra ny anjara birikiny amin’io ivontoerana io ny fanjakana rehefa mandroso ny firenena ary milamina ho azy avy eo, araka ny nambarany.

Nangonin’i Synèse R.

Partager sur: