Efa nankatoavin’ny eo anivon’ny HCC, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny fahabangan-toerana iray ao amin’ny Antenimierandoholona noho ny nanendrena ny loholona teo aloha, Randriamanantenasoa Landy ho minisitry ny Fitsarana. Navoitran’ny etsy Ambohidahy amin’izany fa anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny manendry ny mpisolo toerana, eo anivon’io An-drimpanjakana io. Midika izany fa haka fanapahan-kevitra lehibe sy manan-danja ny filoha amin’izany. Efa miely be ny feo ny amin’ny hanoloana ny filohan’ny Antenimierandoholona, amin’izao fotoana izao, Razafimahefa Herimanana. “Tsy azo ihodivirana fa ny loholona hotendren’ny filoha eo no handray ny fitantanana ny etsy amin’ny Lapan’Anosikely, ho filohan’ io Andrimpanjakana io. Ho tonga hatrany amin’ny fitantanana vonjimaika ny firenena izany rehefa mametra-pialana ny filoha raha ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena”, hoy ny famakafakan’ny depiote Razara Pierre na i “Del kely”, tao amin’ny fandaharana “Miara-manonja”, herinandro vitsy lasa izay.
Mety ho manambonihitra ambony…
Efa mandeha rahateo ny tombantombana samihafa fa mety hisafidy manamboninahitra ambony ho amin’izany toerana izany ny filoham-pirenena. Tafiditra amin’ny resaka fametrahana filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena izany, amin’ny hiatrehana ny fifidianana.
Etsy andaniny, nambaran’ ny HCC fa hisolo toerana ny depiote, Rivotiana Jean Bosco, voatendry ho minisitra ny mpisolo toerana, Ralaivao Paul. Kandidà avy amin’ny IRD, ao amin’ny distrikan’i Lalangina.
Synèse R.