Tsy mbola afa-bela raha mbola etsy Behoririka ? Nosakanan’ny Emmo/Reg, tsy afaka naneho ny fanamarihana ny andron’ny 8 marsa ireo vehivavy eo anivon’ny Tim Analamanga, omaly. Nikasa ny hankalaza izany tetsy amin’ ny Magro Behoririka izy ireo saingy izao tsy tanteraka izao. Efa niatrana vao maraina teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, anaty fiara 4×4 maromaro sy ireo nanao andiany, nirongo kibay sy ny fitaovana fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. “Tsy hanongam-panjakana izahay ary tsy hanao kabary politika fa mba hiaraka hanamarika tahaka ny vehivavy rehetra maneran-tany izany andron’ ny 8 marsa izany. Tonga eto tsy hila sotasota fa hanao fety”, hoy ny filohan’ny vehivavy Tim, Analamanga, Rahelisoa Arphine. Nanteriny fa efa vita avokoa ny fanomanana rehetra ary anisan’ny fandaraham-potoana ny fijoroana vavolombelon’ireo vehivavy amin’ny sehatra samihafa, hanomezana traikefa ny namany. « Malahelo fa tena voatohintohina ny zonay nefa tokony hankalaza izany… », hoy izy.
Hetsika tsy nahazoana alalana
Tsy tokony hangatahana alalana koa ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena tahaka izao. Tsy fetin’ny Tim ity fa iraisam-pirenena ary marobe ny hetsika ataon’ny fikambanana samihafa amin’ ny toerana rehetra androany (omaly), araka ny nambarany. Nilaza ho tsy nanome tsiny ny mpitandro filaminana izy noho ny baiko tanterahina nefa nampita hafatra ihany ny amin’ny tokony hijerena ny tranga tahaka izao. “Rariny ve izao ?” hoy ny fanontanian’ny vehivavy Tim. Nanao fotoam-bavaka teo an-toerana ihany izy ireo avy eo.
Tsiahivina fa tsy nanaiky niresaka amin’ny mpanao gazety ireo mpitarika ny Emmo/Reg. Na izany aza, voalaza fa tsy nahazo alalana izao hetsika fankalazan’ny vehivavy Tim ny andron’ny 8 marsa izao.
Synèse R. sy Tsiferana