Fizarana fanampiana ho an’ireo renim-pianakaviana sahirana tao amin’ny kaominina Ivato no nanamarihan’ny fikambanana Destiny ny Andron’ny vehivavy, omaly. Fikambanana tarihin-dRamatoa Randrianarisoa Hoby, vadin’ ny ben’ny Tanàna miantsehatra amin’ny asa sosialy sy ny fitsimbinana ny sahirana.
Hisitraka asa ihany koa ireo vehivavy anjatony vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpanohana hatrany.
Fiaraha-miasa tamin’ireo orinasa ao an-tanàna no nahafahana nanatanteraka ny hetsika, omaly. Anisan’izany ny orinasa Ravilana Airports, izay miorina ao anatin’ny kaominina rahateo.
Tetsy andaniny, nilaza ny solombavambahoaka, Rakotoarisoa Johnny, nanotrona ny fotoana omaly, fa manana anjara lehibe ny orinasa amin’ ny fampandrosoana ny tanàna misy azy. Heverina ny fahavitrihan’ireo orinasa maro ao amin’ny kaominina Ivato
amin’ny fanohanana ireo asa sosialy ataona fikambanana, toy izao nataon’ny Destiny izao.
Fiaraha-mientan’ny rehetra no ilaina, hisian’ny fampandrosoana ka anisan’izany ireo orinasa izay tokony hifarimbona, araka ny nambaran’ ny solombavambahoaka hatrany.
Tatiana A