Nihaona teny Ambohitsoa ireo vehivavy mpandraharaha ao anatin’ny fikambanana A-FAM (femmes autoentrepreneures à Madagascar), omaly. « Mahaleo tena ny vehivavy mpandraharaha sy mahay mamaha olana ary manatsara ny lesoka nisy teo amin’ny fiainany sy eo anivon’ny asa fandraharahany”, hoy ny filoha mpitantana ny Chic et Curly, Karmen. Nilaza izy fa matahotra ny ho diso lalana, hitsatoka eo amin’ny fitantana ny vola ny mahatonga ny vehivavy tsy handraharaha. Nohamafisiny fa maro ny vehivavy beazina hiasa amin’ny orinasa ka tsy vonona ny hiasa tena.
Nifampizara traikefa
Nifanerasera, nifampizara traikefa, nifanakalo hevitra, nitady fiaraha-miasa ary nifankahalala ireo mpikambana nandritra izany. Ankoatra izay, nampiseho ny asa tanana vokarin’izy ireo teny an-toerana ihany koa, toa ny sakafo, ny vokatra natoraly fanao amin’ny tarehy sy volo, ny asa tanana malagasy… Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Cocktail de réseautage” ny hetsika. Nanatrika izany ireo vehivavy mpandraharaha maherin’ny 34 isa. Tanjona ny hampiroboroboana ny vehivavy mpandraharaha eto amin’ny Nosy. Eo koa ny hitarihana ny vehivavy hafa hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana. “Mandrisika ny vehivavy hiditra amin’ny fandraharahana sy ny fikambanana, mba hampivelarana ny asa sy traikefa ananan’ny vehivavy”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana A-FAM, Andriamanandraibe Andrianina na Bibz Andrian.
Marihina fa andiany voalohany ny hetsika ary mbola hitohy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy mpandraharaha ireo. Hampiofanina izy ireo hahay hitantam-bola mba hampihodinana ny orinasa. “Anisan’ny olana eo amin’ny vehivavy mpandraharaha ny manafangaro ny volan’ny orinasa sy ny ao an-tokantrano ka miteraka olana eo amin’ny orinasa”, hoy hatrany ny filohan’ny A-FAM.
Mino (mpianatra asa)