ONMAC : hatsaraina ny tsangambaton’ireo mpiady tranainy

Manatsara ny tsangambato fahatsiarovana ireo malagasy niady tamin’ireo ady lehibe roa eny amin’ny farihin’Anosy ny Ofisy nasionalin’ny mpiady tranainy (ONMAC), tarihin’ny Jly Raharijaona Faly Michel. Fia­raha-miasa amin’ny sampandraharahan’ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izany. Ao anatin’izay fiaraha-miasa izay koa ny fanomezana fiahiana ireo mpiady tranainy fony mbola fahavelony izay marihina fa tsy misy intsony ankehitriny. Ny asa atao ankehitriny, fameloma-maso ny tantara amin’ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa mirakitra izany. Ma­nana trano fampirantina mirakitra ny tantaran’ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy tamin’ireo ady ireo ihany koa ny ONMAC. Vinan’ity rantsa-mangaikan’ny minisitera ity ny hamadihana ity trano fampirantina ity ho tranom-bakoka. Efa miomana amin’ny dingana rehetra hanatanterahana izany izy ireo ankehitriny. Ma­nasa sy miantso ireo sekoly miankina na tsy miankina maniry hitsidika ny tranom-bakoka ny tompnandraikitra.

Jean Claude

Partager sur: