Loza voajanahary : hanampy ny Vondrona Eoropeanina

Fanamafisana ny fiaraha-miasa. Nandray ny kaomisera eoropeanina, momba ny fiahiana ny maha olona sy ny fiatrehana krizy, i Janez Lenarčič ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany. Voaresaka ny momba ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Eo koa ny fiatrehana izany. Anisan’izany ny olana eo amin’ny haintany any Atsimon’ny Nosy sy ireo rivodoza nisesy tamin’ny taon-dasa sy ny tamin’ity taona ity. “Eo anilan’i Madagasikara hatrany ny Vondrona Eoropeana (UE) indrindra amin’ny fametrahana fandaharanasa fiahiana ireo mponina traboina sy mba hahafahan’izy ireo miarina aorian’ireny loza ireny”, hoy i Janez Lenarčič.

Synèse R.

Partager sur: