“Nangalatra vola 20.000 ariary” : Ankizy telo nofatorana “menottes” tao am-pianarana

Voalaza fa niharan’ny herisetra nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny EPP Ambodin’Isotry ny zazalahy miisa telo, ny volana martsa teo. Niparitaka ny sary namatorana “menottes” azy ireo ka nidina an-dalambe naneho ny hatezerany ny ray amandrenin’ny mpianatra, omaly.

Ankizilahy 7 taona, miisa telo, kilasy T2 (11eme) no­fatorana tamin’ny “me­not­te” tetsy amin’ny EPP ambo­­din’Isotry, ny 16 marsa 2026 lasa teo. Voalaza ho nangala-bolan’ny mpampianatra azy, izy ireo, antony na­naova­na izany. Navoakan’ny mpiambina ny sekoly anefa ny sary mirakitra ny fampijaliana ireo zaza. Nipa­ritaka haingana izany ka hitan’ny ray aman-dreny. Nahita izany ireto farany ka nidina an-dalambe, omaly maraina. Ni­lan­ja sorabaventy ary nitaky ny fialan’ny talen-tsekoly, araka izany, izy ireo. Tonga teny anivon’ny sekoly ambaratonga fo­totra voalohany (EPP) tetsy Ambo­din’Isotry ny minisitry ny Fa­nabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, vantany vao naheno ny zava-misy. Nifampiresaka tamin’ny talen-tsekoly sy ireo mpampianatra ary ny solontenan’ireo ray aman-dreny izy, nandritra izany. Nambarany taorian’izay, fa tsy maintsy handraisana fepetra ireo mpampianatra sy mpanabe nanao herisetra tamin’ireo ankizy miisa telo ireo. “Tsy maintsy hiafara amin’ny fandroahana tsy ho mpiasam-panjakana mihitsy izany raha nahitana porofo tokoa”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina.

Niharan’ny vono

Tsiahivina fa nivoaka nividy zavatra tany ivelan’ny fianarana ny mpampianatra an’ireo zaza ireo, tamin’io fotoana io, raha ny fanazavana voaray teny an-toerana. Najanony tao an-tsekoly ny poketrany. Nam­barany fa tsy tao intsony anefa ny vola 20 000 ar rehefa niverina izy. “Nosavaina avokoa ireo mpianatra rehetra tao an-tsekoly nefa tsy nahitana io vola no­lazainy io”, hoy ny fitantaran’ny zanaky ny mpiambina ny sekoly raha nanontaniana. Nitaraina tamin’ny talen-tsekoly, araka izany, ilay mpampianatra. Te­zitra ity farany ka namatotra ireo ankizilahy miisa telo izay voalaza fa nangalatra ny volan’ilay mpampianatra. Nohidina ora ma­romaro tao amin’ny efitranon-tse­koly ireo zaza ireo tao­rian’ izay. Namba­ran’ny rahavavin-drenin’ny ankizy iray lasibatra fa voatery nosoloina ilay vola very. “Nano­lo 5 000 ariary avy ny ankizy tsirairay izay voasazy”, hoy izy. Nambarany ihany fa sady niharan’ny kapoka kifafa ireo ankizy ireo tamin’ny fotoana nitazoman’ny tale sy ny mpampianatra azy tao.

Mino

Partager sur: