Miantsehatra mivantana eny ifotony ny BNGRC amin’ny fanatanterahana ny famonjena ireo traboina. Fianakaviana 10.597 no nisitraka ny fanampiana nandritra ny rivodoza Freddy teo.
Nandritra ny telo volana nanjakazakan’ilay rivodoza Freddy tamin’ ireo distrika maromaro teto Madagasikara, analiny ireo traboina vokatry ny fiakaran’ ny rano. Nanatanteraka ny asany ny BNGRC amin’ny vonjy ranovaky sy fanampiana ireo mpiray tanindrazana.
Nanao tatitra ny tomponandraikitra fa efa olona 52.985, avy amin’ny fianakaviana 10.597 no nisitraka fanampiana. Avy amin’ny distrika 11, anatin’ny faritra 6 izy ireo, samy nahazo tohana manokana hahafahany miarina aorian’ny voina.
Ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny birao nasionaly misahana ny loza sy tandindon-doza (BNGRC), no miandraikitra mivantana ny fanampiana miaraka amin’ny fitaleavana misahana ny sosialy sy ny politika eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika (DASP).
Mifarimbona amin’ny firotsahana an-tsehatra ny rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa hisian’ny fizarana tsy mitanila sy tena mipaka any amin’ny vahoaka mila ny tohana nandritra ireny rivodoza ireny.
Ankoatra ny fidinanana ifotony nanaovana vonjitaitra, nirotsahana avokoa ireo faritra sy distrika rehetra nanomezana ny fanampiana izay tra-pahasahiranana tsy fidiny noho ny nafitsoky ny rivodoza.
Vary milanja 178.200 kg na 175,2 taonina no efa nozaraina tamin’izany. Teo koa ny voamaina 25 taonina, menaka 5.598 litatra, siramamy 4.020 kg na 4 t mahery kely, lafarina 2.698 kg… Tsy hadino ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izay lasan’ ny rano sy tototry ny faharavana ka nitondrana fanampiana ihany koa.
Anisan’izany ny vilany 100 isa, koveta 50 isa, sotrobe 100, vilia 1000, lamba firakotra 2.698, sotro 1.000, savony 80 baoritra, fanitso 200 isa ary vatsy tsinjo 3.583 isa.
Niarahana hatrany tamin’ ireo tompon’andraikitra eny ifotony ny fizarana izay manamarina rahateo ireo tena traboina sy sahirana mila izany fanampiana izany.
Miomana hatrany amin’ izay trangan-javatra mety hiseho ny ekipan’ny BNGRC, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Tatiana A