Oniversiten’Antananarivo : efa tomombana ny famatsiana herinaratra

Nanao fanambarana ny sampandraharaha misahana ny serasera sy ny fifandrai­sana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny oniversite fa efa tomombana avokoa ny fotodrafitrasa eo anivon’ny oniversiten’Antanana­rivo taorian’ny fanavaozana samihafa natao. Mandeha tsara avokoa ny famatsiana herinaratra, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Jirama eny amin’ireo toeram-pampianarana Cathédrale, ny kianja mitafo… Mijery ifotony ny vahaolana maharitra tsy hahatapaka intsony ny famatsiana herinaratra eny amin’ny ESPA Vontovorona sy ny sekoly am­bony Agronomie ny tekni­sianina, satria efa antitra ny fitaovana rehetra mitondra ny herinaratra amin’ireo toerana ireo. Taorian’ny fankatoavana ny fampiasam-bola ahafahana mamerina ny jiro tamin’ny fi­lan-kevitry ny governementa, natomboka omaly ny asa fa­narenana ho an’ny oniversi­ten’Antananarivo mankany amin’ny “École supérieur des sciences Agronomiques”. Mi-tohy ihany koa ny eny Von­to­vorona izay efa natomboka ny faran’ny herinandro teo. An­drim-by 12 no hatsangana ary eo amin’ny roa herinandro eo no hanatanterahan’ny Jirama ny asa. Ho an’i Vontovorona, efa voasolo ny “cable” 150 me­tatra ary miroso amin’ny fi­karakarana ny “disjoncteur” indray ankehitriny.

Tsy eto an-toerana…

Nohamafisin’ny fanambarana fa tsy eto an-toerana ny filohan’ny oniversiten’Anta­nanarivo ary nankininy amin’ ny mpiara-miasa aminy ny momba ny fandrindrana ny fandoavana ny vatsim-pianarana. Eo koa ny fanatanterahana na tsia ny filankevim-pifehezana ho an’ireo mpia­natra efatra eny Vontovorona, voatonona ho naniratsira ny filohan’ny Repoblika sy nanao hetsika tsy nahazoana alalana.
Taorian’ireo filohan’ny fikambanana pedagojika eny amin’ny oniversiten’Antana­narivo, niara-nidinika tamin’ny tomponandraikitra ao amin’ ny ministeran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa teny Fiadanana. Anjaran’ny mpitarika fikambanana isan-tsokajiny eny amin’ny politekinika Vonto­vo­rona mivondrona ao amin’ ny FMPA indray no fihaonana. Fiaraha-midinika ho famahana ny olana misy eny amin’ ity toeram-pampianarana ambony ity no votoatim-pihaonana.

Vonjy A.

Partager sur: