Samy mbola mitsakotsako ny faharesen’ny Barea de Madagascar indroa misesy nanoloana an’i Centrafrique avokoa na ny mpilalao na ny federasiona na ny mpijery, indrindra fa ny mpanazatra. Ao anatin’ny aretina ankehitriny ny ekipa malagasy. Mitady hitsoaka ny mpanazatra, i Nicolas Dupuis.
Manoloana ny tsy fahombiazan’ny Barea de Madagascar, ka nahararaka azy amin’ny fifanintsanana ny Can 2023, misavoritaka ny tontolon’ny kitra malagasy. Marary ny Barea “A”, ka mitady hirika hialana an-daharana i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Taorian’ ny faharesena 2 no ho 0 nanoloana ny Les Fauves Centrafrique, nanao fanambarana tamin’ny alalan’ny horonantsary ny tenany, ny talata lasa teo, tany Douala Cameroun.
“Tsy hitondra ny ekipam-pirenena intsony aho, ho an’ireo lalao roa sisa, amin’ny fifanintsanana ho an’ny Can 2023”, hoy izy. Tao anaty “bus” nanoloana ny mpilalao sy ny ekipa teknika no nanaovany izany.
Nahavariana ny mpanara-baovao, raha ity fomba nanatontosany ny fanambarana ity, ka noheverina fa tsy mbola ofisialy. Tsiahivina fa tapitra amin’ny septambra ny fifanarahany amin’ny FMF, ka nilazany fa tsy havaoziny intsony.
Nanolo-kevitra izy, hanendren’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), mpanazatra vaovao hisolo ny toerany ka hananan’izay handimby azy eo fotoana sy hifantohana amin’ny tohin’ireo lalao ireo. Nohamafisiny tao anatin’ilay fanambarana fa hiresaka izany amin’ny federasiona ny tenany vantany vao tonga eto an-tanindrazana ny delegasiona. Hatramin’izao, tsy mbola tonga eny am-pelatanan’ny tomponandraikitry ny FMF ny fametraham-pialany na ny soso-keviny ary tsy mbola nisy fihaonana teo amin’ny roa tonta.
Tsy niatrika Can 2
Lalao efatra izay no vitan’ny Barea de Madagascar, tamin’ity fifanintsanana ity. Intelo resy ary ady sahala indray mandeha. Vokatra mametraka azy ireo amin’ny laharana farany, ary tsy manana afa-tsy isa 1 monja. Raha tsiahivina, Can 2 izay, taorian’ny 2019 no tsy nahatafita ny Barea de Madagascar dia ny tany Cameroun, ny taona 2021 sy ny any Côte d’Ivoire, amin’ity taona 2023 ity.
Tompondaka