Nanaparitaka vola sandoka : nidoboka am-ponja ilay tovolahy

Nanao petra-bola tao amina Cash point , tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nampiasa vola sandoka 8 alina Ar tao Mora­ranokely, Kaominina Ankazo­miriotra-Antsirabe, ny 19 mar­sa teo. Ny 2 febroary, nanao petra-bola tao amin’ny Cash point iray ao an-toerana io lehilahy io. Efa lasa anefa izy, tsikaritry ny mpandray vola fa sandoka avokoa ny roa tamin’ireo roa alina nomena azy. Nitaraina teny amin’ny zandary avy hatrany ity farany. Natao ny fikarohana ilay lehilahy nanome ny vola saingy tsy hita popoka izy. Ny 19 marsa, niverina moramora tao an-trano fonenany ny tovolahy mpisoloky. Nanao ny vela-pandrika ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny ity farany. Niaiky ny heloka na­taony, naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana ity lehilahy ity.

Tsiferana R.

Partager sur: