Natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo, ny raharaha nahavoarohirohy mpandraharaha iray misahana fampidirana sy famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina “transitaire” sy ny namany iray hafa. Voasaringotra amina raharaha fandrahonana hamono tovovavy telo amin’ny alalan’ny tifitra variraraka izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana teo anivon’ny fampanoavana, samy naiditra am-ponja izy roa lahy. Nitondra tovovavy telo tao amina bungalow iray tao Tahitikely, Analamboanio Toamasina izy roa lahy ny 21 marsa 2023 teo. Tsy tanteraka anefa ny fifanarahana ka saika handeha izy telo vavy. Tezitra izy roa lahy ka nandrahona ny hamono. Namoaka basy ny iray ary efa namahana. Nandritra izany anefa, nandefa hafatra miafina tamin’olom-pantatra ny iray nitantara ny zava-misy sy ny toerana misy azy ireo. Tonga tany amin’ny polisy io hafatra io ka nidina haingana tao amin’ilay bungalow ny polisy. Manoloana ity raharaha ity, niezaka nanao tsindry niantomboka teo amin’ny fanadihadian’ny polisy misahana ny heloka bevava.
Sajo/J.C