Jly Ranjeva : nizara traikefa tamin’ny mpianatry ny Acmil

Tonga nitsidika sy nizara traikefa tao amin’ny Akade­mia Miaramila (Acmil) Antsi­ra­be, ny talata teo, ny Jly Ranjeva Marcel (efa misotro ronono). Nandray azy ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène. Nisy fifampizarana nataony tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra. Notsindriny ma­nokana ny etika sy ny toe-tsaina maha manamboninahitra rehefa mivoaka ny sekoly. Tarigetra rahateo ny hoe « Ho an’ny Tanindrazana ». Nano­me torolalana ireo mpianatra izy amin’ny hanandratana hatrany ny sekoly, izay azo lazaina fa anisan’ny tsy mena-mitaha amin’ireo toeram-pam­piofanana mpianatra ma­namboninahitra aty Afrika. Tombony lehibe ny fananana herim-batana sy herin-tsaina mandritra ny fanarahana ny fiofanana satria izany rahateo koa no entin’ireo mpianatra re­hefa mivoaka ny sekoly, araka ny nambarany. Nifam­pi­dinidinika tamin’ireo mpianatra ity manamboninahitra jeneraly ity taorian’izay. Marihina fa efa kaomandin’ny Acmil ny Jly Ranjeva ny 1986 hatramin’ny 1992.

Jean Claude

Partager sur: