Nosakanan’ny Emmo/Reg : raikitra ihany ny hetsiky ny Tim tao Sambaina

Raikitra ihany ny fanentanana ny mpifidy. Tsy voasakan’ny fepetran’ny minisiteran’ny Atitany amin’ny tsy fahazoana mamory vahoaka ankalamanjana sy ny fanakanana nataon’ny Emmo/Reg ny hetsika nataon’ny Tim.

“Tsy voasakana iza­ny intsony isika. Adin’ny kanosa ire­ny fa­nakatsankanana ireny”, hoy ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomana­na, raha nihaona amin’ny vahoakan’i Manja­kan­driana, omaly. Vory lanona tao amin’ ny ankalamanjana iray any an-toerana izy ireo. Namba­rany fa diso fahavalo ny Emmo/Reg nanakana azy teny an-dalana. “Aoka mba ho ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana lalina no anehoanareo sakana tahaka izao”, araka ny nambarany.
Niompana amin’ny fa­nen­tanana ny mpifidy hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny fo­kontany ny lahateny nifandimbiasana. “Zava-dehibe ny fisoratana anaty lisi-pifidianana, hahafahana mifidy sy mitory raha misy tsy fanarahan-dalàna amin’ny fifidianana”, hoy izy.

Nandeha an-tongotra 5km Ravalomanana
Tsiahivina fa voasakana ny fiara nitondra ity mpanorina ny Tim ity raha mbola tany amin’ny 5km mialoha ny hidirana ny tanàna. “Isika manana tongotra rehefa tsy avelany mandeha fiara… Mila mandroso hatramin’ny farany isi­ka fa tsy mihemotra”, hoy ny filoha teo aloha Ravaloma­nana Marc, rehefa tafahoana tamin’ireo vahoaka.

Nikatso 30mn teo ny fifamoivoizana, nitohana ny fiara rehetra nivezivezy teny amin’ny lalam-pirenena fa­haroa, noho io tranga io. “Re­saka hafa any tsy misy idiranay olon-tsotra mitondra fiara fa tokony avelanareo handeha izahay. Mana­na fo­toana izahay matoa miainga vao maraina nefa sakanana tahaka izao”, hoy ireo mpitondra fiara.
Tsiahivina, nilatsaka ny herinandro teo ny fepetra avy amin’ny minisiteran’ny Atita­ny amin’ny fandrarana hetsika ankalamanjana. Tsy maintsy anaty efitrano avokoa izany, manomboka izao, araka ny fanambarana.

Synèse R.

Partager sur: