Depiote R. Brunelle: “Saziana isika aty Ikongo”

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razafintsiandraofa Jean Brunelle tamin’ny fanamarihana ny 29 marsa teo, tao Ikongo. Notsiahiviny tamin’izany fa anisan’ny nampifidy ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny tenany. “Aza hadinoina ny tantara, anisan’ny ambony indrindra ny taha nifidianantsika azy taty… Tsy tonga anefa ny nampanantenaina antsika hatramin’izao…

Tena saziana sy atao fahirano isika”, hoy izy. Nota­ni­sainy tamin’izany fa tsy nokitihina hatramin’izao ny lalana RN14. «Tsy mandeha efa ho herintaona sy tapany izao ny lamasinina… Nohitsiny fa mi­tady olo-marina ity tany sy firenena ity. Tsy mahay ny mpitondra antsika raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena”, hoy hatrany izy.
Manilika andraikitra
Porofo amin’izany ny vola 5 miliara Ar mahery nambara fa efa vonona ha­namboarana ny lalana any an-toerana, raha ny filazany. “Ny asa tsy nanomboka ary ny vola nanjavona…Tsy hain’izao fitondrana izao ny laharam-pahamehana sy ny tokony hatao mialoha hamahana ny olan’ny vahoaka”, hoy ihany izy. No­tsindriny fa tsy manao ny tandrify azy sy tsy mitady va­haolana ary mpanilika andraikitra ny governemanta.
Notebahiny ampahibemaso sy efa nanafarany ireo vahoa­kan’Ikongo ny fikononkonan’ ny sasany hamono azy. Efa fantany avokoa ny mom­ba izany ka niantsoany fahamailoana. “Mijo­ro hanompo ny tanindrazana aho ka tsy hampihemotra ahy izany”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: