Minisitry ny Fitsarana : “Azo hatsaraina hatrany ny lalàna mifehy ny Pac”

“Anjakan’ny demokrasia i Madagasikara. Natao hi­voatra koa ny lalàna. Raha misy mahita hoe mbola tokony ho­hatsaraina ny lalàna mifehy ny Pac, afa-manolotra fani­tsiana ny depiote.” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana, teny Anosy, omaly, momba ny fanakianan’ny firaisamonina sivily sasany fa manalefaka ny herin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) ny lalàna vaovao mom­ba izany.

Hatramin’izao aloha, io lalàna Idealison io no lalàna velona momba ny Pac fa telo taona ny fe-potoam-piasana. Izay no tsy maintsy ampiharina, ary mampihatra fotsiny ihany ny eo anivon’ny mini­siteran’ny Fitsarana. Afa-mitondra soso-kevitra indray izay te hanitsy na hanatsara izany. Lalàna efa tamin’ny 2021 no nasiam-panitsiana. Ma­hagaga raha aty amin’ny 2023 ny firaisamonina sivily vao milaza hoe tsy mety io lalàna io fa manalefaka ny herin’ilay rafitra, efa roa taona aty aoriana.
“Hatramin’izao, tsy mbo­la tonga aty aminay ny fialana na tsia”, hoy izy. Tsy mbola misy taratasy ofisialy hoe tena miala ry zareo izay nanatrika ara-dalàna ny fivorian’ny komity farany, roa volana lasa. Nekeny izany io rafitra io, vao roa volana lasa izay. Nefa izao indray milaza fa miala ry zareo. Zony izay.

Efa didy ny “Raharaha préfet Toamasina”
Efa nisy ny didy navoa­kan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana, Toamasina, nanafoana ny teny mita nataon’ny préfet any an-toerana tamin’ny fampitsaharana fanatanterahana didim-pitsarana, araka ny fanazavany. Tsy mihatra in­tsony izany ny teny mita nataon’ny préfet, nanomboka ny 31 marsa.

Toromarika nomeny ho an’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny fitsarana fa tokony hohamafisiana ny fitsipi-pifehezana mba tsy hiverenan’ny tandrevaka. Ma­na­ratsy endrika ny fitsarana ny toy ireny.

R. Nd.

Partager sur: