Boriborintany IV : hisitraka fitsaboana maimaim-poana ny mponina

Hotanterahina ny 4, 5, 6 ary 7 avrily izao eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Telma Anosibe Angarangarana ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka ho an’ny boriborintany IV. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, hisy koa ny karazana fitiliana mahazatra izay mahasarika ny olona.
Anisan’izany ny fitiliana diabeta, hahafantarana ny tahan’ny siramamy anaty ra. Eo koa ny fizahana maso maimaim-poana miaraka amin’ny fivarotana solomaso amin’ny vidiny mirary iarahana amin’ny Lion’s Sight First Mada­gascar.
Eo koa ny tolotra manokana ho an’ny zaza, mikasika ny karazana torohevitra mikasika ny sakafo ara-pahasalamana sy mampitombo azy ireo. Ho­lanjaina ireo zaza ary maimaim-poana ny torohevitra amin’ny fikarakarana azy.
Mifanindran-dalana amin’ireo ny tolotra ara-tsosialy, fiahiana sy tantsoroka ara-tsaina izay tena ilain’ny maro, ma­noloana ny kirizim-piainana misy amin’izao fotoana.
Iandraiketan’ny fitaleavana momba ny fahasalamana ny fizarana fanafody mifandraika amin’ny aretina rehefa vita ny fizaham-pahasalamana. Eo koa ny fanafody fandrindram-piterahana, fitiliana VIH/Sida ary ny fitsapana tosi-dra, fizarana ody kankana ho an’ny ankizy…
Fotoana hahafahana manao vaksiny miaro amin’ny Covid-19 ihany koa ireo fotoana ireo ho an’ireo izay tsy mbola nananao na ireo hanampy daozy.
Mitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo Reni­vohitra ny fahasalamana mitety vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivo­hitra miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra misitraka ny tolotra ara-pahasalamana sy manakaiky vahoaka.

Tatiana A

Partager sur: