Tetikasa Tafaray : hojerena miaraka ny fahasalaman’ny olona sy ny biby

Tetikasa manaraka ny fitsipiky ny Fahasalamana iraisana (One health) momba ny fahasalaman’ny olombelona, ny biby ary ny fahasalamana mifandraika amin’ny tontolo iainana ny tetikasa “Tafaray”. Tetikasan’ny fitondrana, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ary haharitra hatramin’ny taona 2026, ny “fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona”. Hitsinjovana hatrany ny fahasalamam-bahoaka no tanjona ary natomboka tany Toa­masina, ny fiandohan’ny herinandro teo.
Tanjona iombonana ny hanamafisana ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny fiatrehana ny valanaretina mety hiseho eto amintsika ary ny hampiroborobo ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony. Hitondra tombontsoa mivantana ho an’ny Malagasy tsirairay ny tetikasa ary hojerena manokana ny fahasalaman’ny vehivavy, ny zatovovavy ary ny zaza latsaky ny 5 taona. Minisitera efatra no mifarimbona amin’ny fanatanterahana dia ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, ny Fam­pianarana ambony, ny Fam­bolena sy ny fiompiana ary ny Tontolo iainana fa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no mitarika ny tetikasa.

Vonjy

Partager sur: