Nokasain’ny raim-pianakaviana iray hotaperina ny aim-badiny. Notondrahany asidra ilay ramatoa. Mbola nodorany ka may ny ampahany tamin’ny vatany.
Voasambotry ny zandary, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray. Nanondraka asidra ny vadiny izy. Nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Fiadanakely, kaominina Mahitsy. “Adin’ny mpivady toy ny mahazatra no niatombohan’izany”, hoy ny mpanao famotorana.
“Nifamaly noho ny tsy fifanarahan-tsaina izy ireo, ny alahady 23 avrily. Samy tao anatin’ny hafanam-po. Naka ranon’asidra ilay rangahy izay efa mamo. Nafafiny tamin’ny lamosim-badiny izany. Avy eo naparitany tamin’ny faritra hafa tamin’ny vatan-dramatoa. Voakasika ny kibo sy ny sandriny. Tsy vitan’izay, mbola nodoran-drangahy tamin’ny afo izy. Tena voa mafy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Nahare ny zava-nisy ny mpitandro filaminana avy ao anivon’ny borigady Mahitsy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany izy ireo. Nandehana ny fikarohana ilay nahavanon-doza. “Efa tsy tratra tao an-trano intsony ilay lehilahy”, hoy ny zandary. Nisy ny hazalambo sy angom-baovao. Tra-tehaka vokatry ny fanadihadiana ilay rangahy, afakomaly. Niaiky ny heloka feno habibiana nataony tamin’ny vadiny izy.
Manamafy ny zandary ao Mahitsy, fa tsy hitsitsy ireo mpandika lalàna izy ireo. Nasiany tsindrim-peo manokana ireo minia miteraka fanakorontanana ny fandriampahalemana ao an-toerana.
Tsiferana R.