Nampihorohoro tao Antsirabe : maty rotiky ny balan’ny polisy i Betraina

Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Uir sy ny jiolahy tao Antsirabe, omaly. Maty voatifitra nandritra ity fifandonana ity ny jiolahy raindahiny fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Betraina. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana efa fanta-daza sy mampihorohoro ny mponin’Antsirabe Ra­solonjatovo Hasina Nan­tenaina na i Betraina. Nahazo loharanom-baovao mialoha ny polisin’ny Uir, omaly ta­min’ny 1ora sy 30 mn momba ny fisian’ity jiolahy ity hita mihaodihaody sy ahina ho mikononkonona fanafihana miaraka amin’ny namany ao Andranomandevy. Nidina ta­ny an-toerana avy hatrany ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’i Betraina tao an-toerana. Teo am-pisamborana azy ny polisy no nikasa hanindrona antsy i Betraina. Nitifitra ny polisy ka maty tsy tra-dra­no izy. Nohamafisin’ny polisy fa efa nokarohina hatry ny ela ity jiolahy ity. Efa nisy mihitsy aza ny famoahan’ny fitsarana “Didy mampaka” indroa miantoana, saingy izao izy vao tratra. Maro ireo olona efa nitondra faisana tamin’i Be­traina tao Antsirabe sy ny manodidina. Ao anatina fi­kambanan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika izy ity, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany.

Jean Claude

Partager sur: