Namoaka fanambarana tao amin’ny tambajotra ny Tim. Nahitsy ny fanehoan-kevitra ny amin’ny fitakiana ny hamoahana any am-ponja tsy misy fepetra ilay mpanakanto, i Ninie Donia. “Niaro ny tanin’ny vahoaka tao Nosy Be izy. Nefa atao ny fomba rehetra hamotehana ny fiainany”, hoy izy ireo. Notakin’ny Tim ny hisamborana ireo nikasa haka ny tany narovan’ity mpitarika Tim any an-toerana ity, araka ny nambaran’izy ireo. “Aoka tsy ahodinkodina ny marina ary aza amoronana “Dosie” hafa tsy misy idirany akory i Ninie Donia”, hoy ihany izy ireo.
Tsiahivina fa nivoaka tamin’ity herinandro ity ny didim-pitsarana momba ity raharaha ity ka voaheloka higadra 18 volana sazy mihatra ity mpanakanto sady mpitarika Tim ity.
Efa notanana am-ponja i Bezara Eliane na Ninie Donia, efa ho 11 volana nialoha izao sazy izao. Anisan’ny antony nanenjehina azy ny faniratsirana manampahefana.
Efa nilaza ny tsy fankasitrahana izao fanagadrana azy izao ny eo anivon’ny RMDM, Antsiranana sy ny foibe, fony izy mbola nohazonina am-ponja vonjimaika.
Synèse R.