Tanterahina ao Toamasina, nanomboka omaly, ary haharitra 3 andro, ny herinandron’ ny haraton’aina, tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Hetsika hanasongadinana ny tetikasa “Haraton’aina” sy fampahafantarana ny olona ny karazana tohana misy.
Fiahiana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ireo fandaharanasa 3 lehibe ny haraton’aina. Mamaly ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana amin’ny fanarenana ny fiainan’ny ankohonana tena sahirana izany.
Tetikasa arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, tanterahin’ny Fid ary tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola.
Miohatra ny 1.355.000 ny tokantrano misitraka ny karazana tohana, ao anatin’ny faritra 15 iasany. Efa hatramin’ny taona 2016 no nanomboka. Anisan’ny fandaharanasa manampy olona maro ao anatin’ity tetikasa ity ny « Asa Avotra Mirindra », izay asa atakalo vola, entina manatsara ny famokarana. Eo koa ny «Vatsin’ Ankohonana» sy «Fiavotana», izay vatsy entina mampivoatra ny maha olona. Ankoatra izay ny fandaharanasa «Vonjy voina» izay tosika hiatrehana ny rivodoza sy ny haintany izay mahazo ny faritra maro eto Madagasikara.
Tamin’ny alalan’ireo fandaharanasa ireo no nahafahana nanatsara amin’ny fomba maharitra ny fari-piainan’ny ankohonana mpisitraka ary nanamafy ny fahafahany miatrika ny tranga. Nilaza ny tale jeneralin’ny fiahiana sosialy, Rivomanana Tsarahita Ghisbert, fa mbola maro ny tokantrano hisitraka ny tohana, ho fanatsarana ny tanjona izay voafaritry ny politika nasionaly momba ny fiahiana ara-tsosialy (PNPS).
Tatiana A