Nanomboka ny volana septambra 2020 ka hatramin’izao, 200 ny tranga voatily teto amintsika ary tsy ny ankizy madinika ihany no tratrany fa hatramin’ny tanora. Nahitana tranga iray niseho tamin’ ny olona efa 24 taona. Teto Antananarivo, amin’ny distrikan’Atsimondrano no nahatiliana ny tranga farany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Unicef, Razafinimpiasa Lalatiana, omaly, teny Antanimena. Nandritra ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19, nihena be ny tahan’ny fanaovam-baksiny tokony hotanterahina mialoha ny fahaherintaonan’ny zaza ka anisany ny vaksiny miaro amin’ny aretina poliomelita. Vokany, ahina hirongatra io aretina io eto Madagasikara. Efa nisy ny hetsika fanamafisana ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny poliomelita ho an’ny ankizy hatramin’ny 15 taona. Marefo ary mety ho tratran’ny aretina ny zaza tsy vita vaksiny sy ireo vita vaksiny ihany koa fa tsy nanamafy ny fatram-baksiny taty aoriana. Ny fangerena ankalamanjana no mampiparitaka ny tsimokaretina ho tafiditra any am-bavan’ny olona iray, avy amin’ny tanana na sakafo tsy voadio. Raha mbola latsaky ny 80% koa ny hery fiarovana iraisan’ny daholobe, marefo ny mponina ao aminy. Fomba iray ahafantarana fa mety ho tratran’ny poliomelita ny fisehoana fahalemen’ny rantsam-batana tampoka. Ny fitiliana alefa eny amin’ny Institut Pasteur de Madagascar no hanamarinana fa voan’ny aretina poliomelita na tsia ny olona iray.
Hazakazaka hakana vola
Ho fandraisana anjaran’ny Rotary Club eto amintsika momba ny ady amin’ny aretina poliomelita, mikarakara hazakazaka (Urban trail) isan-taona izy ireo, ahazoana vola harotsaka amin’ny tahiry iadiana amin’io aretina io. Andiany fahenina no hotanterahina ny alahady izao, miainga eny amin’ny Tour Zital Ankorondrano hatreny amin’ny Marais Masay ary miverina eny amin’ny Tour. Mirefy 7 km ny halavirany ho an’ny sokajy voalohany. Misy sokajy faharoa, miainga eny amin’ny Tour ihany ary mihazo ny rond-point Ambohimahitsy ary miverina eny Ankorondrano amin’ny halavirana 14 km. 5 000 Ar ny fandraisana anjara ho an’ny tsirairay ary harotsaka manontolo amin’ny tahiry iraisam-pirenena iadiana amin’ny poliomelita ny vola azo, hoy ny filohan’ny Rotary Club Mahamasina, Rajaonarison David.
Vonjy A.