Miampy isa indray ireo voasambotra momban’ ny raharaha fitsindromana zava-mahadomelina mahery vaika izay efa miparitaka eto an-dRenivohitra. Olona folo voasambotry ny polisy avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina, omaly. Miparitaka manerana an’Antananarivo ireo midoroka sy mitsindrona io karazan-java-mahadomelina mahery vaika io. Ho an’ireo olona fito tra-tehaka ireto, nisy ireo voasambotra teny Ankorondrano. Nahitana mpivarotra “héroine” na “rôrô” koa teny Manakambahiny. Anisan’ny nahasamborana olona mpidoroka sy mpivarotra izany koa tao Antohomadinika.
Vehivavy ny telo
Miroboka amin’ny fitsindromana io zava-mahadomelina io avokoa ireo tanora na lahy na vavy. Miankin-doha tanteraka ny ankamaroan’izy ireo ary manao ny fomba rehetra ividanana io “rôrô” io. Ho an’ireo folo mianadahy tra-tehaka ireto, mbola sarona tao amin’izy ireo ny fitaovam-pitsindromana sy ny rongony. Araka ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana, hitohy ny ady amin’ny famongorana ireo mpikirakira zava-mahadomelina indrindra ny eto an-dRenivohitra. Raha tsiahivina, vao ny fiatombohan’ny herinandro teo no nahatrarana mpianatra iray tamina Lycée tetsy Ankadilalana mpitsindrona rongony.
Tsiferana R.