Ravalomanana Marc : niantso ny hijoroan’ny vahoakan’Antsohihy

Nitohy tany Antsohihy indray ny dian’ny filoha na­sionalin’ny antoko Tim, Ravalomanana Marc. Ni­haonany amin’ireo vahoaka any an-toerana sady nanentanany ireo olom-pirenena feno taona mba hisoratra anatin’ny lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Ny tokony hanamarinana ny anarana sy ny mombamomba ny tena amin’izany lisitra izany.
Fotoana nihainoan’ny mpanorina ny Tim ny olan’ireo vahoaka koa tamin’io. “ Maro ireo mitaraina ho tsy misy sakafo fa tsy ampy vola. Tsy misy asa. Ao koa ireo ankizy izay tsy mianatra ny ankamaroany. Mila mijoro isika milaza ny marina ho fanafodin’izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy misy azo atao raha tsy azo amin’ny fomba mihaja sy ara-demokratika amin’ny alalan’ny fifidianana ny fahefana. “Handresy isika raha hijoro amin’ny fahamarinana ary ho tafaverintsika amin’ny laoniny ny fiainana”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: