Nanaiky handray anjara amin’ny fametrahana tontolo manaja ny zon’ny ankizy na ireo voahilika aza ny governoran’ny faritra 10 (Analamanga, Analanjirofo, Atsinanana, Anosy, Androy, Boeny, Atsimo Andrefana, Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana) taorian’ny atrikasa notanterahina teto Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Nametraka paikady iraisana izy ireo hampiroboroboana ny zon’ny ankizy miaraka amin’ny mpiara-miasa rehetra.
Tsapa fa taorian’ny fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana sy ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, nirongatra ny tsy fanajana ny zon’ny ankizy amin’ny sehatra maro toy ny fahasalamana, fanabeazana…, teto amintsika. Nikarakara ny hetsika ny minisiteran’ny Ati-tany sy ny Unicef izay nanentana sy nanao adisisika manoloana ireo governora 10 nandritra ny hateloana.
Hifarimbona miaraka amin’ireo minisitera voakasika ireo tomponandraikitra isam-paritra amin’ny fanatanterahana ny paikady.
Vonjy