Kaominina Antananarivo Renivohitra: Polisy monisipaly sy mpamonjy voina vaovao 200

Notanterahina, omaly , tetsy amin’ny Lapan’ ny tanàna Analakely ny famoahana mpianatra polisy monisipaly sy mpamonjy voina 200 . Misalotra ny anarana “Sedra”. 97 amin’ireo mpianatra polisy mo­nisipaly ary 74 mpamonjy voina ary 100 ambiny napetraka teo ambany faneva.
“384 ny isan’ny mpamonjy voina eto Antanana­rivo ankehitriny raha toa ka 175  tamin’ny taona lasa”, hoy ny chef de corps-n’ny polisy monisipaly, ny kaomisera Ostrom Whens. Ma­hatratra 70 izy ireo no miambina isan’andro sy alina. Mba hiarovana sy hisorohana ny loza mety hitranga. “Manodidina ny 1500 kosa ny polisy monisipaly kendrena ho mahavaly ny filan’ny mponina eto amin’ny faritra Analamanga”, hoy izy. Ma­no­didina ny 650 izy ireo ankehitriny ary ezahina ny hampitomboana izany amin’ny alalan’ny paikady sy drafitra eo anivon’ny fitantanana. Nilaza izy fa tsy mbo­la ampy ny isa raha oharina amin’ny habetsaky ny mponina eto Antananarivo. Tsy maintsy misy ny paikady sy ny drafitra arahina amin’ny fampandriana fahalemana ka nahafahana namoaka ireo mpianatra ireo.

Fandraisan’andraikitry ny vahoaka

“Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny vahoaka sy ny mpamonjy voina mba hahafahana misoroka ny loza”, hoy ny chef de corps-n’ny mpamonjy voina, ny kolonely Razafimanahaka Tiana. Toy ny fikarakarana ny tatatra eny anivon’ny fokontany mba hanahenana ny trano sy ny tany mihotsaka. Eo koa ny fanamarinana sy fitandremana ny ao an-trano alohan’ny andehanana mba tsy isian’ny firehetana. Noha­ma­fisiny fa manampy sy mi­soroka ny loza ary hiaro amin’ny firehetahana ny fepetra toy izany.
Tsiahivina fa naharitra roa volana ny fiofanana na­taon’izy ireo, teny Manja­kan­driana. Handray fiofanana ara-teknika sy fampiharana mandritra ny herintaona ireo naseho teo ambany faneva, aorian’izao. Ka hihiboka mandritra ny 6 volana any amin’ny tobin’ny polisy monisipaly. Hisy ny fampiharana maharitra herintaona, aorian’izay, raha mahatozo hatramin’ny farany. Handray ny asany avy hatrany kosa ireo ambiny.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: