Namono vady : vehivavy maty novelesin-drangahy maritoa

Mampiteny ny moana ny fisian’ny tranga herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy ao Toamasina. Nodarohan’ny vadiny tamin’ ny «marteau» sy nolerany antsy ny renim-pianakaviana iray ka namoy ny ainy, tao amin’ny fokotany Ampanga­lanina, parisela 14/11, ny zoma teo. Nanan-janaka roa ilay ramatoa. Mbola tsy nifampiteraka izy sy io lehilahy io. Noho ny fifandirana teo amin’ny roa tonta, noleran-drangahy antsy ny fivavian’io renim-pianakaviana io. Tsy vitan’izay, novelesiny tamin’ ny maritoa ny tarehiny ka potika tanteraka. Vao vita ny habibiana, nafenin-drangahy tany anaty lavaka fakan’ny olona manodidina tany rehefa manao trano ny razana. Poa toy izay, nirifatra tsy hita io nahavanon-doza io. Ny sabo­tsy maraina, nigadona tao amin’ny trano fonenan’izy mivady izy, haka ny entana. Efa niatrana tao an-toerana ny mpitandro filaminana. Noraisim-potsiny, arak’izany, io lehilahy namono olona io. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny lehiben’ny fokontany ao an-toerana, mponina vao nifindra tao anatin’ny fokontany izy mivady ireto. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: