Varotra zaza varira: telo lahy naiditra am-ponja vonjimaika

Nidoboka am-ponja vonjimaika ny faran’ny herinandro teo, ireo Telo lahy voasambotry ny zandary rehefa nitady mpividy zaza varira tao Ambohimandroso, ny 22 avrily teo. Nivezivezy tao Am­bohimandroso ny roa lahy. Nitady mpanam-bola hividy varira izy ireto. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tsara sitra-po. Nanao ny fanadihadiana rehetra ny zandary ka niroso tamin’ny fisamborana ireto mirahalahy. Natao famotorana, nitoroka ny lehibeny izy ireo. Ity farany izay tomponantoka tamin’ny fandrebirebena saina olona ho milaza mivarotra zaza varira. Nojeren’ny zandary tany Sobaba, fokontany Bema­so­andro, Kaominina Amba­to­tsipihin,a Distrika Ant­ani­fotsy, io lehilahy voatondro io ka noraisim-potsiny. “Tsy nahitana zaza varira tao aminy”, hoy ny fanazavan’ny zandary. Niaiky ho nitady mpividy zaza varira avokoa izy ireo. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika izy telo.
Nanisa ireo zaza varira ao an-toerana ny zandary ahafahana miaro sy manara-maso azy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: