Fifidianana : mbola handinika ny Leader Fanilo

Anisan’ireo antoko politika vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana ny Leader Fanilo. Na izany aza, nambaran’ny filoha nasionaly vaovao, Heriniaina na i Babala fa mbola handinika izany izy ireo. Itovian’izy ireo hevitra amin’ny antoko hafa koa anefa ny hanatsarana ny lisi-pifidianana. « Tokony horaisina ireo fanatsarana nentin’ny antoko politika momba izany, ialana amin’ny ahiahy tsy ihavanana, ahazoana fifidianana mirindra sy milamina », hoy izy. Nohamafisiny fa mitaky hatrany ny hanavaozana ny fomba fanaovana politikana etika ny Leader Fanilo. Anisan’izany ny tsy tokony hizarana zavatra amin’ny propagandy.
Tsiahivina fa natao,omaly, ny filankevi-pirenen’ny Lea­der Fanilo, taorian’ny fitantanan’ny komity vonjimaika izany teo aloha, tamin’ny alalan’ny fiaraha-nitantana. Voa­fidy ho filoha nasionaly, i He­riniaina na i Babala. Ani­san’ny andraikitry ny birao vaovao ny fanomanana ny vina sy ny fameloma-maso ny antoko ary koa ny hiatrehana ny fifidianana.

Synèse R.

Partager sur: