Fitsinjaram-pahefana miabo : efa miroso ny fanjakana

“Tsy miandry ny fahavitan’izay drafi-pirenena izay ny fitondram-panjakana vao nanao ezaka amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa betsaka ny zava-baovao nentin’izao fitondrana izao hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Eo, ohatra, ny fampitomboana ny vola fanampiana ny kaominina sy ny faritra. Eo koa ny fanomezana fitaovana ny faritra 23 amin’ny fanamboaran-dalana…”
Io no nambaran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, momba ny fanatanterahana fitsinjaram-pahefana miabo ta­min’ny atrikasa niarahana ta­min’ny teknisianina avy amin’ny minisitera samihafa sy ny mpamatsy vola nandritra ny roa andro tamin’ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’ny asa goavana imasoan’ny fitondram-panjakana izao ny fametrahana fitsinjaram-pahefana miabo eto amin’ny firenena. Satria anisan’ny lalana ahazoana mampandroso ny faritra 23. Amin’izao fotoana izao, misy ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo volavolaina. Efa nisy ny atrikasam-paritra natao.
Amin’izao, mandravona ny hevitra rehetra azo tany amin’ny faritra 23 ny komity teknika iombonan’ny minisitera. Re­hefa vita izay, hirosoana ny atrikasam-pirenena handravonana izany hevitra izany. Amin’izany koa no hankatoavana ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana mia­bo. Tsy ho ela dia hipetraka ny drafi-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo, izay ahitana ny sori-dalana rehetra harahina amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: