Nitohy tany Marovoay ny Mihava Tour, tarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, omaly. “Tsy rariny intsony ny ataon’ny fitondrana amin’ny vahoaka. Tsy manam-bola intsony izao fanjakana izao ary tsy diso izany. Teneno izahay raha mandainga amin’izany”, hoy izy..
Nitondrany fanankiana koa ny olan’ny herinaratry ny Jirama. Ilana angovo mora anefa ny fihariana sy ny toekarena. Notsiahiviny fa efa vonona ny vola amin’ny Sahofika sy Volobe amin’ny famatsiana herinaratra.
Sompitra i Marovoay, tokony hamahana an’i Madagasikara nefa tsy mendrika sy tsy rariny raha ho farany ity distrika ity. “Aza terena hamoaka ny dosie-nareo mpitondra izahay… Ambarao anay amin’ny anaran’ny mangarahara ny vidin’ny vary afarana avy any ivelany”, hoy izy.
Nanteriny hatrany fa tsy hisy fandrosoana raha tsy mipetraka ny fitsinjaram-pahefana. “Tsy ambara fotsiny fa tanterahina miaraka amin’ny vola izany”, hoy ihany izy. Nambarany fa nanohana ny fitondrana izy ireo teo aloha saingy efa tsy miaraka amin’ny mpitondra intsony noho ny fampanantenana tsy tanteraka.
Synèse R.