Sarin’ady “Ivondro 2023”: nifampizara fahaiza-manao ny Tafika Malagasy sy Frantsay

Vita soa aman-tsara ny sarin’ady “Ivondro 2023”, notanterahina tao Toamasina sy Nosy Boraha (Sainte-Marie). Nifarana , omaly, ny fifampizarana traikefa teo amin’ny miaramila malagasy sy frantsay.

Nifarana , omaly , ny fanazaran-tena iraisam-pirenena “Ivondro 2023” notantera­hin’ny Tafika Malagasy niaraka tamin’ny Tafika Fran­tsay, tao Toamasina sy Nosy Boraha. Arivo mahery ireo miaramila nandray anjara tamin’ity fanazaran-tena ity, nahitana Malagasy 700 sy frantsay avy amin’ny FASZOI 300, miaramila kaomorianina 30 ary manamboninahitra Seychelois roa. Ni­tarika sy nandrindra ny fanazaran-tena ny lehiben’ny etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Delphin. Nam­ba­rany fa tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tafika, ny fifanakalozana traikefa, ny fanamafisana ny firahalahiana eo amin’ireo miaramila misehatra aty amin’ny faritra atsimon’ny ranomasimbe Indianina.

Ho an’ny Tafika Mala­gasy manokana, nandray anjara tamin’izany avokoa ireo antokon-tafika telo : ny Tafika an-tanety, sy ny ana habakabaka ary ny an-dranomasina. Nampiasaina avokoa ireo fiaramanidina sy helikoptera mba hanamafisana ny traikefan’ny mpanamory.
Nosantarina tamin’ny fam­pisehoana fahaiza-ma­nao nataon’ny Tafika Fran­tsay tamin’ny filatsahana an’elonaina avy any amin’ ny 7 000 metatra ny fanazaran-tena, narahina filatsahana an’elonaina nataon’ny miaramila malagasy. Tom­bony azon’ny Tafika Mala­gasy tamin’izao ny fahaizana mandrindra ny fampitaovana , ireo miaramila eny an-kianja mandritra ny ady atrehina raha misy izany.

An’ny Tafika Malagasy avokoa

Nanara-maso ny fizotry ny fanazaran-tena ny Sek­re­tera jeneralin’ny minisite­ran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafin­drat­ovo Heritiana , niaraka tamin’ny masoivoho frantsay eto Madagasikara, Arnaud Guillois. “Tsy vao voalohany no nanatanterahana izao fanazaran-tena iraisam-pirenena izao ny eo anivon’ ny Tafika Malagasy fa isan-taona. Misy hatrany ny lohahevitra vaovao mifandraika amin’izany na eto Ma­da­ga­sikara izany na any amin’ ireo Nosy rahavavy no ha­naovana azy”, hoy ny Jly Sahivelo. “Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’ireo mpandray anjara, amin’ny alalan’ny fifanakalozana trai­kefa sy ny fizarana fo­mba fiasa ara-taktika sy teknika”, raha ny fanazavany hatrany.
Fitaovana eo am-pelatanan’ny Tafika Malagasy ny ankamaroan’ny fitaovana nanatanterahana izany ka 50 tamin’ireo fiara nampiasaina an’i Madagasikara avokoa, niampy fiaramanidina efatra sy sambo roa. Hita taratra nandritra izany ny fivoaran’ ny mpandray anjara rehetra nandritra ity “Ivondro 2023” ity.

Jean Claude

Partager sur: