Tsy handefitra mihitsy! Dahalo iray mpitahiry sy mpandray omby halatra no tratran’ny zandary tao Ampanihy Andrefana, afakomaly. Nahitam-bokany ny fidinana ifotony nataon’ny zandary manao hetsika fampandriana fahalemana amin’iny faritra iny, tarihin’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Ampanihy Andrefana, ny kapiteny Manantsoa Lanto. Tao amin’ny kaominina Beahitsy, distrikan’Ampanihy Andrefana no nanaovan’izy ireo hetsika manokana noho ity toerana ity anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo. Nahitam-bokany izany satria basimborona marika Baïkal iray tsy misy taratasy, omby 11 tsy nisy taratasy ihany koa ary ity dahalo mpanao famotsian’omby halatra ity no tratran’ny zandary. “Tsy handefitra ny zandary amin’ny tsy fanarahan-dalàna tahaka izao. Misokatra ny famotorana ary isaorana ireo olom-boafidy, olom-boatendry nifanome tanana ka nahazoana izao vokatra izao”, hoy ny kapiteny Manantsoa Lanto.
Jean Claude




