Hosoka sy fanaovana hosoka : teratany karana mpivady eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana

Niakatra fampanoavana , afakomaly, ny teratany karana mpivady voarohirohy ho nanao hosoka sy fanaovana hosoka ary tsy nandoa vidin-dranon’ny Jirama nandritra ny dimy taona. Nanofa trano tao amina trano iray eny Anosiva­vaka Ambohimanarina ity teratany karana ity, ny taona 2018 ary efa nisy ny fifanarahana vita amin’ny hahafahan’izy ireo manofa izany. “Miovaova hatrany anefa ireo karana manofa ao amin’ity trano ity”, hoy ny tompon-trano. Nanao mofo ny asa nataony nandritra ny fotoana nipetrahany tao ka teo no niseho ny halatra bevava (Jiro sy Rano). Nambaran’ny tompon-trano fa nangalatra rano izy nandritra ny fotoana nipetrahany tao amin’ny trano ka tsy nandoa izany tany amin’ny orinasa Jirama. Nopote­hiny rahateo ny kaontera ka nongotany teo amin’ny toerana nipetrahany tamin’ny fo­toana nialany tamin’ny trano. Lasa nifindra any Ivato izy, araka ny fanazavana. Teo no nipoitra ny disadisa satria nangalariny ny sonian’ny tompon-trano ka navadiny ho fitoriana ho fanaovana herisetra indray ny fitoriana azy. Nitondra ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana ny tompon-trano. Heloka anenjehana azy ny halatra, hosoka sy fanaovana hosoka, fanimbana ny fananam-panjakana. Voa­marin’ny fampanoavana, araka izany, ny antontan-tarasin’ady anenjehana ity teratany karana ity noho ny fandikan-dalàna nataony. Efa hitan’ny orinasa Jirama koa izao raharaha tsy fandoavana vi­din-drano izao, araka ny fifanazavana teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana. Nivoaka ny didy ka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana izy. Tsy nahafa-po ny mpitory anefa izany ka nampiakatra ny raharaha indray izy ireo.

Jean Claude

Partager sur: