Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto lehilahy roa voarohirohy noho ny fitondrana vola sandoka tao Ambanja, omaly, ireto. Ny polisy ao amin’ny kaomisaria Ambanja no nahasambotra azy ireo. Loharanom-baovao no azon’ny polisy momba ny fisiana lehilahy roa manaparitaka vola sandoka ka nahafahana nisambotra azy ireo. Natao ny vela-pandrika ka tratra tao Amoronala, distrikan’ Ambilobe, ireo jiolahy ireto. Tratra teny aminy ny vola sandoka amin’ny ravim-bola 20 000 Ar mitentina 3 110 000 Ar. Ny famotoran’ny polisy no nahafantarana fa vola sandoka nalain-dry zalahy tany Sambava ireo vola ireo ka saika haparitaka ao Ambanja.
Jean Claude




