Nitondra ny heviny manoloana ny hiatrehana ny fifidianana ny eo anivon’ny Safidy. Anisan’ny notakin’izy ireo ny hijerena ny lalàna hifehy izany fifidianana izany.
“Ho an’ny governemanta sy ny depiote, manentana hatrany izahay, aleo tratra aoriana toy izay tsy misy: jereo re, rey olona, ny fijerena ny lalàm-pifidianana”, hoy ny avy amin’ny mpanara-maso fifidianana Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), Razanamahefa Désirée Marie Stella, amin’izao fivorian’ny Antenimierampirenena izao mialoha ny hiatrehana fifidianana.
Mba ny ankamaroan’ny Malagasy no manaiky izay ho valim-pifidianana, raha tenenina ny fitoniana. Mbola tiana ve ny hisian’ny romoromo hatrany isaky ny mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Mba hanala an’izay romoromo izay ny mpisehatra fifidianana. Entaniny hatrany ny fanatsarana sy fanavaozana ny lalàm-pifidianana. Manentana ny Ceni koa hamondrona an’ireo hery hanome ny volavolana tolo-dalàna amin’ny ambaratonga isan-tsokajiny.
Tsara fantatra dieny izao
Ilain’ny vahoaka ny mahafantatra sahady ireo mpirotsa-kofidina sy ny vinavinan’asa kasainy hotanterahina eto amin’ny firenena. Izay no anisan’ny nahatonga ny hoe misy firaisamonina sivily nanao fanambarana, taorian’ny teny mita nataon’ny minisiteran’ny Atitany: omeo fahalalahana ny olom-pirenena na vondron’antoko haneho hevitra hamoha ny sain’ny vahoaka momba ny fiatrehana fifidianana.
Inona ny mampiavaka ny fampielezan-kevitra sy ny mialoha izany? Ny voambolana iray hoe: “Fidio Ranona”. Izay no tsy heno amin’izao, fa efa heno avokoa ny sarin-teny rehetra toy ny hoe: “Tsy miala aminao izahay”, “Aza hadinoina rehefa tonga ny fotoana”… Izay no itenenanay hoe halavao ny fe-potoana fampielezan-kevitra. Mba hahazoan’ny olom-pirenena manao safidy voahevitra, mila mahafantatra izy hoe: iza ny mpirotsa-kofidina, inona ny fandaharanasany hoentiny hanasoa ny fiainako amin’ny maha olom-pirenena ahy, inona no hoentiny ho an’ity firenena mandia fotoan-tsarotra ity… ? Zavatra tsara izay na ho an’ny olom-pirenena na ny kandidà.
R. Nd.




