KMF/Cnoe : “Tsy vonona hifampihaino isika”

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Nambara fa tsy anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lahadiniky ny Ante­­­nimiera ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny fifidianana. “Hi­verina sy hiampy indray ny lesoka izay efa na­nolo­rana sosokevitra tamin’ny fikarakarana ny fifidianana farany teo. Voaporofo fa tsy vonona hisokatra sy hifampihaino ny mpanao politika sasany. Samy mijery ny tombontsoany ma­noka­na”, hoy izy ireo. Noha­ma­fisin’ny KMF/Cnoe fa tsy ekena ny fikitihana ny lalàna raha hi­fototra amin’ny hevitr’olon-tokana na firehana ma­no­kana. « Aleo kokoa mam­pihatra ny efa misy rehefa tsy sahy na tsy te hihaino ny hevitry ny hafa », araka ny fanambarana.
Etsy andaniny, niarahaba ny mpisehatra eo amin’ny asa fanaovan-gazety ny KMF/ Cnoe noho ny andron’ny 3 mey teo. “Fototra manamafy orina ny demokrasia sy ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena ary fampandrosoana azo antoka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”, hoy izy ireo.
Notsiahivin’ny fanam­barana fa antoky ny firindran’ny fifidianana ny fahala­lahan’ny asa fanaovan-gazety ka sarotiny amin’izany koa ny eo anivon’ny KMF/Cnoe.

Synèse R.

Partager sur: