Loholona Tsiebo Mahaleo : “Avela hiroso ireo vonona”

“Rehefa hita ny tena fa tsy ampy fanazaran-tena, mijanonà ho mjery na miala an-daharana fa aza miditra eny ambony kianja. Avelao hilalao ny olona izay vonona”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard. Hatramin’izao, tsy mbola misy fanovana ny lalàm-pifidianana, tsy misy fanakantsakanana tsy hahazo hirotsa-kofidina izany raha mahafeno fepetra.
Rehefa fantatry ny mpanao baolina fa tsy ho resiny ny mpifanandrina aminy, tsy maintsy milaza mialohan’ny hiantombohan’ny lalao izy fa hiangatra ny mpitsara, na ratsy ny kianja, na tsy mifanaraka amin’ny fenitra ny baolina… Tamin’ny voalohany, nitaky ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana ireny olona ireny. Natao ve izany sa tsia? Izao indray, mila vaniny… Tsotra ny paikadin’ny fanoherana : Lazaina fa ratsy izay rehetra ataon’ny fanjakana.
Omena ny fahalalahana ny olom-pirenena hisoratra anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy azo terena izy raha tsy hisoratra. Raha terena hisoratra izy, holazaina indray fa tsy misy fahalalahana eto Madagasikara fa atao amboletra ny fidirana amin’ny lisitry ny mpifidy. Safidy ny fifidianana ary an-kalalahana ny fandraisana anjara.

R. Nd.

Partager sur: