Manomboka ny fanadihadiana ireo Malagasy 56 tratra nanjono tsy ara-dalàna tao amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Seychelles. Sambo roa no tratran’ny sambo Say de Malha nanjono tsy ara-dalàna tao amin’ny fari-dranomasin’ny Nosy Seychelles, ny zoma teo. Nahatrarana dingadingana sy sira tao anatin’ireo sambo roa ireo. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina, teratany malagasy 56 no tao anatin’ireo sambo roa ireo ka nampodiana haingana aty Madagasikara. Nafindra tamin’ny patrouilleur côtier MALAKY an’ny Tafika an-dranomasina izy ireo rehefa tonga tao amin’ny helindranon’Antsiranana. Niara-nifanome tanana tamin’ny fandraisana an-tanana azy ireo ny avy ao amin’ny antokon-draharaha misahana ny fifamoivoizana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) Atsiranana. Ny zandary ao an-toerana no misahana ny famotorana azy ireo.
Jean Claude