Filoha Rajoelina Andry: miantso ny FMF hizara ny valin-kasasaran’ny Barea Chan

Mitsipaka ny fandaminana napetraky ny Federasiona malagasy (FMF), amin’ny fitsinjarana ny «Prize money», azon’ny Barea de Madagascar, tany amin’ny “Chan 2022” ny mpanazatra sy ny mpilalaon’ny Barea. Miantso ny FMF, araka izany, ny filoha Rajoelina Andry hizara izany
valin-kasasaran’ny mpilalao izany.

Nanao fanambarana niaraka, Andriama­nam­pisoa Alfred fi­lo­ha lefitra voalohan’ny Federasiona malagasy (FMF) sy Rakotondrabe Romuald (Rôrô), mpanazatra ny Barea «Chan 2022», nisolo tena ireo mpilalao, omaly alahady, teny amin’ ny Lapan’Iavoloha fa tsy manaiky ilay fitsinjarana ny lelavola tambin-kasasarana «Prize money», mitentina 500.000 dolara avy amin’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF). Manoloana ity olana ity, miantso ny Federasiona ny filoham-pirenena, hizara ny valin-kasasaran’ireo mpilalao. Nanome toromarika ny minisitry ny Fanatan­ja­hantena, hijery akaiky ity resaka “Prize money” ity izy. Tsiahivina fa mahatratra 34 ny isan’ireo nandrafitra ny delegasiona malagasy, niatrika ny “Chan 2022”, tany Algérie ka 23 mpilalao.
Raha tsiahivina, nanambara ny Federasiona malagasin’ ny baolina kitra fa homena anjara amin’izany vola izany, ny klioba namolavola ireo mpilalao sy ny ligy nipoiran-dry zalahy. Voalazan’ny fa­nambarana fa narotsaka avy hatrany amin’ny kaontin’ireo mpilalao rehetra ny vola, izay tsy notononina ny sandany.
Nohamafisin’ny filazana avy amin’ny Federasiona malagasy fa manaraka ny toromarika avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ry zareo ny amin’ity tambin-kasasaran’ny Barea de Ma­dagascar Chan ity.
Naneho ny fahagagany i Rôrô ny amin’ny tsy nitenenana azy ireo, ny tarehim-bola nomena ireo mpilalao sy ny mpanazatra ka mahatonga ahiahy. Nilaza i Arohasina (Dax), tao anaty tambajotran-tserasera fa 30 %-n’io vola io ihany ny hany nomena azy ireo, ambarany fa tsy mifanaraka amin’ny ezaka vitan’ireo mpilalao izany.

Nanamafy i Alfred Andri­a­manampisoa, fa hiady hiaraka amin’ireo mpilalao ny tenany amin’ity fitsinjarana ny «Prize money» ity.

Tompondaka

Partager sur: