Lalatiana Rakotondrazafy : “Tsy mihevitra hametraka Tetezamita ny fanjakana”

Mazava ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MKS), Lalatiana Rakotondrazafy. “Tsy mihevitra fitondrana tetezamita izany ny fitondram-panjakana”, hoy izy.

“Tsy mihevitra ny hametraka Tetezamita ny fitondrana ankehitriny. Tsy marina avokoa ny resabe tato ho ato”, hoy izy. Nohamafisiny fa tsy mitombina ny filazana ny amin’ny hitondran’ny filoha teo aloha iray izany. Nolaviny koa ny filazana fa efa nanaiky izany ny filoha am-perinasa sy ny filoha iray teo aloha. Notsipahiny ny vaovao miely fa efa manaiky tetezamita ny fiadidiana ny Repoblika. “Tsy miova ny hevitry ny fitondram-panjakana amin’ny te­ti­andro hanaovana ny fifidianana amin’ity taona ity”, hoy ihany izy.
Nankasitrahany ny solontenan’ny Vondrona Eorope­a­nina tamin’ny fanehoan-keviny, ny amin’ny fametrahana ny demokrasia, amin’ny ala­lan’ny fifidianana, efa iomanan’ny fitondrana. Tsy mitombina ny antony manamarina hi­rosoana amin’ny Tete­za­mi­ta. “Ny krizy sosialy sy toekarena, iainan’ny firenen-drehetra no misy eto. Tsy misy krizy politika izany eto hanamarinana ny hirosoana amin’ny Tetezamita”, hoy izy. “Man­ga­­latra ny fahefan’ny vahoaka, hisafidy ny mpitondra azy, ny tontolo politika sy ireo mi­ketrika izany”, hoy hatrany ny minisitra.

Hajaina ny fotoana
Tsy misy lalàna na La­làm­panorenana mampitombina ny hirosoana amin’ny fitondrana ivelan’izay voasoratra. Haja­i­na ny fotoana ifanomezana amin’ ny vahoaka, tompom-pahefana, amin’ny faran’ny taona. “Efa mijery ny tetibola ho amin’ny fikarakarana fifidianana ny governemanta. Efa miomana amin’izany, amin’ ny alalan’ny filan-kevitry ny governemanta sy ny minisitra. Efa nihaona tamin’ny UE sy ny iraky ny Firenena Mikam­bana ny filohan’ny Repoblika amin’ny fanomezan-tanana ny tetibola. Andrasana ny tatitra momba izany”, araka ny nambarany.
Nitondrany fanazavana koa ny momba ny fepetra araka ny lalàna amin’ny famerana ny hetsika politika anaty toerana mifefy. Zo sy fiandrianan’ny firenena iray ny mamaritra ny fepetra amin’ny fisitrahana ny fahalalahana maneho hevitra, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: