Aiza ho aiza ny vahoaka amin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Maneho ny heviny ny olom-pirenena tsotra, maro anisa mangina, i Anjaramanantsoa Laza Fanambinana: “Ny fanaovan’ny hafa tsinontsinona izay tena tokony hiainan’ny Malagasy no mampahantra.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Omena fitenenana ianao olom-pirenena tsotra hoe maro anisa mangina ny amin’ny fahitanao ny toe-draharam-pirenena amin’izao?
Anjaramanantsoa Laza Fanambinana (-): Misy ny maro anisa mangina eo amin’ny lafiny sosialy iainan’ny vahoaka, mifandraika amin’ny politika tsy ahazoana miteny na isafidianana tsy hiteny. Tarazo navelan’ny firenena mpanjanaka izay. Nilazana ny Malagasy, ohatra, ny hoe valala tsy mandady harona, valalabemandry… Fampanginana ankolaka na mivantana izany. Nisy eo amin’ny tantaram-pirenena ny maro anisa misafidy ny hangina na tsy afa-maneho hevitra amin’ny sehatra rehetra.
Misy koa ny fampanginana mivantana, rehefa misy mihevitra ho manana na mahazo fahefana hoe manana antontan-taratasy momba izay tokony hangina. Izay no mahatonga ny fifamaliana faty politika eo amin’izay mitondra sy entina. Ho an’ny mpanao politika izay, nefa tarafin’ny vahoaka mangina sy mampangina tsy fidiny amin’ny fahafantarana sy fahitany ireny trangan-javatra maro ireny. Voaporofo izany isaky ny fifidianana, nisafidy hangina ny ampahany maro anisa tokony hisitraka ny zony amin’ny fifidianana. Voafidy ara-dalàna ireo mpitondra nifandimby fa tamin’ny ampaham-bato vitsy.
* Ahoana no hiatrehan’ny maro anisa ny fifidianana amin’izany?
– Ilaina ny fanentanana ny rehetra ho amin’ny fifidianana, hijery sy hanara-maso ny anarany amin’ny lisitry ny mpifidy, hisafidy mazava izay olona heveriny fa hitondra azy. Araka ny lalàna, tsy azo terena ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra ny amin’izay hoaviny izay. Misy misafidy ny hangina, satria na iza eo ary na inona atao: toy ny hoe ny eo ihany no eo. Amin’izao, tsara ny anentanana ny rehetra… Nefa tsy hanomezan-tsiny koa izay mety ho taham-pivitrihana eo. Efa tafahoatra ny fampanantenana hatramin’izay, ka tsy ahitan’ny vahoaka taratra ny fahamarinan’izay lazain’ny mpanao politika.
* Ahoana ny hoavy amin’izany?
– Ny ezaky ny tena tsirairay avy, ny fandraisana sy fampandraisana andraikitra… Tokony handray an-tanana ny amin’ny hoaviny izay rehetra mahatsiaro tena ho olom-pirenena. Ny fifidianana no mametraka ny rafi-piarahamonina sy rafitra politika mampandroso. Izay no ananana safidy amin’ny fifidianana. Ny loza: mbola fehezin’ny firenen-dehibe isika. Izy ireo no manana fahefana amin’izay mahamety na tsia ny Malagasy eo amin’ny politika, toekarena, sosialy…
Ny tsy fanekena intsony ny baiko na fandaminana apetraky ny vahiny no rafi-tsaina tokony hananan’ny Malagasy. Amin’ny ankapobeny, ny fanaovan’ny hafa tsinontsinona izay tena tokony hiainan’ny Malagasy no mampahantra ny vahoaka sy ny firenena. Ilaina ny fanovan’ny tsirairay ny foto-pisainana hananany ka hiheverana ny hoe: Malagasy tompon’i Madagasikara, ary tena mandray an-tanana izany fa tsy miera lava. Ny firenena matanjaka no mila an’i Madagasikara, fa tsy i Madagasikara no mila vahiny. Na izany aza, misy fanantenana ny hoavy raha tena mandray an-tanana an’izay hoaviny ny isam-batan’olona.
Nangonin’i R. Nd.